<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Misy maro ao an-tsaha mitaraina FFPM310</title>
<lyrics>[V1]
 Misy maro ao an-tsaha
 mitaraina
 Ka ento ny jiro mba hankao,
 Tsy mba misy antoandro
 na maraina,
 Fa maizina re ny ao ;
 Indro olo-maro be
 No maniry mafy hoe :
 Mba midína mankatý,
 Itondray Baiboly re
 Izy ireo, fa ta-handre
 An'i Kristy Tompo soa ;
 « Mandehana, »
 hoy ny Tompo
 « Mandehana ho amin'izao
 tontolo izao ».
 Mitsangàna ary,
 eny mitsangàna,
 Fa Izy no homba anao.

[V2]
 Mandehana mba hitarika
 ny jamba,
 Mba ampifalio ny ory fo ;
 Ny mahantra ilazao fa misy
 lamba
 Tsy miova, tsy mety lo ;
 Jeso Mofon'aina soa,
 Sady Ranon'aina koa,
 Asehoy ho hitany,
 Tena Andriamanitra,
 Tompo tao an-danitra,
 Ambarao ho fantany :
 « Mandehana, » ..sns.

[V3]
 Mandehana hanatanjaka ny
 osa,
 Omeo toky re ny ketraka ;
 Ny anjaranao, ataovy ho
 tontosa,
 Ka aza dia reraka,
 Mandehana hianao, ka vitao
 ny asanao,
 Fa ny tambinao arý ;
 Mbola any ihany re
 Ny handraisan-tamby be,
 Dia rehefa tsy etý,
 « Mandehana, » ..sns.</lyrics>
<hymn_number>310</hymn_number>
<author>W.B. Bradbury</author>
</song>